Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
2146
I. Masina ny Anaran’ny Tompo
Mandrara ny fanaranam-po amin’ny Anaran’Andriamanitra ny didy faharoa, izany hoe ny fampiasana rehetra tsy mendrika ny Anaran’ Andriamanitra, ny Anaran’i Jesoa-Kristy, ny anaran’i Maria Virjiny ary ny anaran’ny olomasina rehetra :
→
-
2147
I. Masina ny Anaran’ny Tompo
Ireo fampanantenana atao amin’ny hafa amin’ny Anaran’ Andriamanitra dia mametraka ho antoka ny hajan’Andriamanitra, ny tsy fivadihany, ny hamarinany ary ny fahefany amin’ny fanatanterahana izany. Tokony hajaina amim-pahamarinana ireny. Ny mivadika amin’izany, …
→
-
2148
I. Masina ny Anaran’ny Tompo
Manohitra mivantana ny didy faharoa ny faniratsirana . Fanononan-teny manohitra an’Andriamanitra izany – ao an-tsaina, ao am-po na ety ivelany – teny fankahalana, teny fanomezan-tsiny, teny fihantsiana, hitenenan-dratsy an’Andriamanitra, tsy hanajana Azy …
→
-
2149
I. Masina ny Anaran’ny Tompo
Ny fiozonana , izay mampiditra ny Anaran’Andriamanitra, na dia tsy manana eritreritra haniratsira aza, dia tsy fanajana ny Tompo. Raràn’ny didy faharoa koa ny fampiasana ny Anaran’Andriamanitra ho toy ny mazia . …
→
-
2150
II. Ny Anaran’ny Tompo tonontononim-poana
Mandrara ny fianianana tsy marina ny didy faharoa. Ny mianiana na miozona, dia ny maka an’Andriamanitra ho vavolombelon’izay lazain’ny tena fa marina tokoa. Izay ilay antsoina hoe miantso porofo ny hamarinan’ Andriamanitra …
→
-
2151
II. Ny Anaran’ny Tompo tonontononim-poana
Adidy amin’Andriamanitra ny mandà ny fianianana tsy marina. Amin’ny maha-Mpahary sy Tompo an’Andriamanitra, dia Izy no fitsipiky ny fahamarinana rehetra. Mifanaraka na mifanohitra amin’Andriamanitra izay Fahamarinana rahateo ny tenin’olombelona. Manazava ny fifandraisan’ny …
→
-
2152
II. Ny Anaran’ny Tompo tonontononim-poana
Antsoina hoe mianian-tsy to ilay izay manao fampanantenana amim-pianianana, nefa tsy eritreretiny hotanterahina akory, na izay avy nampanantena nombam-pianianana, nefa tsy nanatanteraka izany velively. Anisan’ny tsy fahampiam-panajana lehibe an’ilay Tompon’ny teny rehetra …
→
-
2153
II. Ny Anaran’ny Tompo tonontononim-poana
Namelabelatra ny didy faharoa tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra i Jesoa : “Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: "Tsy hianiana tsy to ianao, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao." Fa Izaho kosa …
→
-
2154
II. Ny Anaran’ny Tompo tonontononim-poana
Ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana, manaraka ny nataon’i Md Paoly [75] , dia mahatakatra an-tsaina fa tsy manohitra ny tenin’i Jesoa ny manao fianianana, rahefa atao noho ny antony lehibe sy rariny (ohatra : …
→
-
2155
II. Ny Anaran’ny Tompo tonontononim-poana
Ny fahamasinan’ny Anaran’Andriamanitra dia mitaky ny tsy hangataham-bonjy Aminy amin’ny zavatra tsinontsinona, sy ny tsy hianianana amin’ny fisehon-javatra mety hampahatonga hilaza Azy ho toy ny fankasitrahana ny fahefana izay mety hitaky izany …
→
-
2156
III . Ny anarana kristianina
Omena “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina” (Mt 28,19) ny sakramentan’ny Batemy. Amin’ny Batemy, ny Anaran’ny Tompo no manamasina ny olona ary ao amin’ny Fiangonana no mandray ny …
→
-
2157
III . Ny anarana kristianina
Atomboky ny kristianina amin’ny famantarana ny Hazofijaliana, “amin’ ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen”, ny androny, ny fivavahany ary ny ataony. Manokana ny andro ho voninahitr’ Andriamanitra …
→
-
2158
III . Ny anarana kristianina
Antsoin’Andriamanitra amin’ny anarany avy ny olona tsirairay [78] . Masina ny anaran’ny olona rehetra. Ny anarana no sarimasin’ny maha-olona. Mila fanajana izany, ho mariky ny fahamendrehan’ilay izay mitondra azy.
→
-
2159
III . Ny anarana kristianina
Anarana ho amin’ny mandrakizay ny anarana nomena ny olona. Any amin’ny fanjakan’Andriamanitra, ny toetra mistery sy tokana ao amin’ny olona tsirairay voamariky ny Anaran’Andriamanitra no hamirapiratra amin’ny fahazavana feno. “Amin’izay mandresy, (...) …
→
-
2160
III . Ny anarana kristianina
“ Ry Tompo Andriamanitray ô, mba lehibe re ny Anaranao, manerana ny tontolon’ny zava-drehetra ” (Sal 8,2).
→
-
2161
III . Ny anarana kristianina
.Ny didy faharoa dia mandidy hanaja ny Anaran’ny Tompo. Masina ny Anaran’ny Tompo.
→
-
2162
III . Ny anarana kristianina
.Ny didy faharoa dia mandrara ny fampiasana tsy mendrika rehetra ny Anaran’Andriamanitra. Ny faniratsirana dia mifototra amin’ny fampiasana ny Anaran’Andriamanitra, ny Anaran’i Jesoa-Kristy, ny anaran’i Maria Virjiny ary ny anaran’ny olomasina amin’ny …
→
-
2163
III . Ny anarana kristianina
.Ny fianianana tsy marina dia ny miantso an’Andriamanitra ho vavolombelona amin’ny lainga. Ny fianianana tsy to dia fahadisoana lehibe amin’ny Tompo izay tsy mivadika lalandava amin’ny fampanantenany.
→
-
2164
III . Ny anarana kristianina
“ Aza mianiana na amin’ny Mpahary, na amin’ny zavaboary, raha tsy amin’ny zavatra marina, ilaina ary atao amim-panajana ” [79] .
→
-
2165
III . Ny anarana kristianina
.Amin’ny Batemy ny kristianina no mandray ny anarany ao amin’ny Fiangonana. Ny ray aman-dreny niteraka, ny mpiantoka ary ny Pretra mpiandraikitra voalohany ny paroasy dia hitandrina mba tsy hanome fanampin’anarana hafahafa ny …
→