II. Ny Anaran’ny Tompo tonontononim-poana
Laharana 2154 amin’ny Katesizy
Ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana, manaraka ny nataon’i Md Paoly[75], dia mahatakatra an-tsaina fa tsy manohitra ny tenin’i Jesoa ny manao fianianana, rahefa atao noho ny antony lehibe sy rariny (ohatra : eo anatrehan’ny tribonaly). “Ny fianianana, izany hoe ny filazana ny Anaran’ Andriamanitra ho vavolombelon’ny fahamarinana, dia tsy mety haseho afa-tsy amin’ny fahamarinana, omban’ny fahaiza-mandanjalanja ary araka ny rariny sy ny hitsiny”[76].