Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1121
II. Ireo sakramentan’ny Fiangonana
Ireo sakramenta telo : ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Filaharana masina, ampian’ny fahasoavana, dia mampisy marika manokana ara-tsakramenta na “fitomboka” izay andraisan’ny kristianina anjara amin’ny maha-mpisorona an’i Kristy sy mahatonga azy …
→
-
1122
III. Ny sakramentan’ny finoana
Naniraka ny apôstôliny i Kristy mba ho “amin’ny anarany no hitorian’izy ireo amin’ny firenen-drehetra ny fibebahana ho famelana ny fahotana” (Lk 24,47). “Ataovy tonga mpianatro ny firenen-drehetra, manaova batemy azy ireo amin’ny …
→
-
1123
III. Ny sakramentan’ny finoana
“Ny zava-kendrena amin’ny sakramenta dia ny hanamasina ny olombelona, ny handrafitra ny Vatan’i Kristy, ary farany, ny hanompoana an’Andriamanitra amin’ny fivavahana ; kanefa, amin’ny maha-famantarana azy ireny, dia manana anjara asa amin’ny …
→
-
1124
III. Ny sakramentan’ny finoana
Ny finoan’ny Fiangonana no alohan’ny finoan’ny mpino, ka ny finoan’ ny Fiangonana no asaina ifikiran’ny mpino. Rahefa mankalaza ny sakramenta ny Fiangonana, dia manambara ampahibemaso ny finoana noraisina tamin’ny apôstôly. Avy amin’izany …
→
-
1125
III. Ny sakramentan’ny finoana
Noho izany, tsy misy fombam-pivavahana ara-tsakramenta na dia iray aza azo ovàna na amboarina araka izay tian’ny mpandraharaha masina na ny ankohonam-piangonana. Na dia ny manam-pahefana fara tampony ao amin’ny Fiangonana aza …
→
-
1126
III. Ny sakramentan’ny finoana
Ankoatra izany, satria ny sakramenta no maneho sy mamelabelatra ny fiombonam-pinoana ao amin’ny Fiangonana, dia iray amin’ireo mari-pitsaràna ilaina amin’ny fifanakalozan-kevitra izay itadiavana ny famerenana ny firaisan’ny kristianina, ny lex orandi [39] …
→
-
1127
IV. Ny sakramentam-pamonjena
Manome ny fahasoavana izay ambarany ireo sakramenta ankalazaina amim-pahamendrehana amin’ny finoana [40] . Mandaitra ireo satria ao amin’ ireo ny Tenan’i Kristy mihitsy no miasa : Izy no manao batemy, Izy no …
→
-
1128
IV. Ny sakramentam-pamonjena
Ao amin’izany ny dikan’ny teny fanamafisan’ny Fiangonana [41] hoe : ny sakramenta dia miasa ex opere operato (ara-bakiteny : “avy amin’ny asa natao dia tanteraka izany”), izany hoe tanteraka indray mandeha ihany, …
→
-
1129
IV. Ny sakramentam-pamonjena
Milaza marina ny Fiangonana fa ny sakramentan’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, ho an’ny mpino, dia ilaina amin’ny famonjena [43] . Ny “fahasoavana ara-tsakramenta” dia ny fahasoavan’ny Fanahy Masina omen’i Kristy sy araka ny hasina …
→
-
1130
V.Ny sakramentan’ny fiainana mandrakizay
Ny Fiangonana dia mankalaza ny misterin’ny Tompony “mandra-piaviny” (1 Kôr 11,26) sy mandra-pahatonga “an’Andriamanitra ho zavatra rehetra amin’izy rehetra” (1 Kôr 15,28). Nanomboka tamin’ny andron’ny apôstôly ny litorzia no notarihana mankany amin’ny …
→
-
1131
V.Ny sakramentan’ny fiainana mandrakizay
Ny sakramenta dia famantarana mandaitra andraisam-pahasoavana, naorin’i Kristy sy nankininy amin’ny Fiangonana, izay izarazarana amintsika ny ain’Andriamanitra. Ny fombam-pivavahana hita maso izay ankalazana ny sakramenta, no mampahafantatra sy mampahazo ny fahasoavana manokana …
→
-
1132
V.Ny sakramentan’ny fiainana mandrakizay
Manao fankalazana ara-tsakramenta ny Fiangonana noho izy ankohonana mpisorona mirafitra amin’ny maha-mpisorona avy amin’ny Batemy sy ny an’ny mpandraharaha voahosotra.
→
-
1133
V.Ny sakramentan’ny fiainana mandrakizay
Ny Fanahy Masina no manomana ny olona hiroso amin’ny sakramenta, amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny finoana, ho an’izay mandray ny Teny amin’ny fo vonona tsara. Noho izany, sady manamafy no manambara ny …
→
-
1134
V.Ny sakramentan’ny fiainana mandrakizay
Ny vokatry ny fiainana ara-tsakramenta dia sady ao amin’ny isam-batan’olona no ao amin’ny Fiangonana manontolo. Etsy an-daniny, io vokatra io dia fiainana ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa, ho an’ny mpino rehetra …
→
-
1135
Ny fankalazana ara-tsakramenta ny misterin’ny Paka.
Ny fahazoana an-tsaina momba ny fitantanam-pamonjena ara-tsakramenta aloha no nampahafantarin’ny katesezy momba ny litorzia ( tao amin’ny toko voalohany ). Tamin’izany fahaizana izany no nihariharian’ny zava-baovaon’ny fankalazana azy. Ny horesahina amin’ity toko …
→
-
1136
I. Iza no mankalaza ?
“Asan’ ” i “ Kristy manontolo ” ( Christus Totus ) ny litorzia. Ireo izay mankalaza izany ankehitriny tsy amin’ny famantarana, dia efa ao amin’ny litorzian’ny lanitra sahady, izay tena fiombonana sy …
→
-
1137
Ireo mankalaza amin’ny litorzia any an-danitra
Ny Apôkalipsan’i Md Joany, vakìna ao amin’ny litorzian’ny Fiangonana, dia mampiseho amintsika aloha, ny seza fiandrianana iray miorina any an-danitra, ary Olona iray mipetraka eo ambonin’io seza fiandrianana io [1] : “ny …
→
-
1138
Ireo mankalaza amin’ny litorzia any an-danitra
Ireto avy “ireo navondrona” ao amin’i Kristy, mandray anjara amin’ny fanompoam-piderana an’Andriamanitra sy amin’ny fanatanterahana ny fandaharany : ny Herin’ny lanitra [7] , ny voary manontolo (ny Zavamananaina efatra), ireo mpanompon’ny Fanekem-pihavanana …
→
-
1139
Ireo mankalaza amin’ny litorzia any an-danitra
Amin’izany litorzia maharitra mandrakizay izany no ampandraisan’ny Fanahy sy ny Fiangonana anjara antsika rahefa mankalaza ny misterim-pamonjena ao amin’ireo sakramenta isika.
→
-
1140
Ireo mankalaza amin’ny litorzia ara-tsakramenta.
Ny Ankohonam-piangonana manontolo, dia ny Vatan’i Kristy miray amin’ ny Filohany, no mankalaza. “Ny asa litorzika rehetra dia tsy asan’olon-drery, fa fankalazan’ny Fiangonana, izay "sakramentan’ny firaisana", izany hoe ny vahoaka masina voavory …
→