… ary koa tamin’ny Fampiakarana azy any an-danitra.

Laharana 966 amin’ny Katesizy

“Farany, ilay Virjiny madio tsy voakasi-pahotana, narovan’Andriamanitra mialoha tsy ho voan’ny fahotana tamin’ny fototra mihitsy, nony tapitra ny fiainany teto an-tany, dia nakarina vatana sy fanahy any amin’ny voninahitry ny lanitra, ary nasandratry ny Tompo ho Mpanjakavavin’izao tontolon’ny zava-drehetra izao, mba hitovy tanteraka araka izany amin’ny Zanany, Tompon’ny tompo, mpandresy ny fahotana sy ny fahafatesana”[522]. Ny Fampiakarana any an-danitra ny Virjiny Masina dia fandraisana anjara miavaka amin’ny Fitsanganan’ny Zanany ho velona sy fananganan-ko velona mialoha an’ireo kristianina hafa :

Tao amin’ny fiterahanao dia voatahirinao ny maha-virjiny, tao amin’ny torimasom-pahafatesanao, tsy nandao an’izao tontolo izao ianao, ry Renin’Andriamanitra : nikambana tamin’ilay loharanon’Aina ianao, ianao izay niteraka an’ilay Andriamanitra velona ary, tamin’ny vavaka nataonao, no hanafahanao ny fanahinay amin’ny fahafatesana[523].

Loharano ôfisialy ↗