II. Ny fiombonan’ny Fiangonan’ny lanitra sy ny tany

Laharana 958 amin’ny Katesizy

Ny fiombonana amin’ireo nodimandry. “Amin’ny fiekena izany avy hatrany an’io fiombonana izay misy ao anatin’ny vatana mistikan’i Jesoa-Kristy manontolo io, ny Fiangonana ao amin’ireo rantsambatany izay mizotra ety an-tany dia nanamarika tamin’ny fitiavam-bavaka betsaka ny fahatsiarovana an’ireo nodimandry hatramin’ny fotoana niandohan’ny fivavahana kristianina, amin’ny fanolorana koa ny vavaka ho azy ireo ; satria “ny mihevitra hivavaka ho an’ny maty, mba hahafahan’izy ireo amin’ny fahotany, dia hevitra masina ombam-pitiavam-bavaka” (2 Mak 12,45)”[512]. Ny vavaka ataontsika ho azy ireo dia tsy natao fotsiny hanampy azy ireo, fa koa hampandaitra ny fanalalan’izy ireo amin’ny soa ho antsika.

Loharano ôfisialy ↗