Ny adidy aman’andraikitra hampianatra

Laharana 888 amin’ny Katesizy

Ny Eveka, miaraka amin’ny Pretra, mpiara-miasa aminy, “dia manana ho voalohan-dahasa hitory ny Evanjelin’Andriamanitra amin’ny olombelona rehetra”[412], araka ny baikon’ny Tompo[413]. Izy ireo no “mpanao antso avo ny finoana, izay mitondra mpianatra vaovao eo amin’i Kristy, izy ireo no mpampianatra marina” ny finoana apôstôlika, “manana ny fahefan’i Kristy”[414].

Loharano ôfisialy ↗