Ny fiombonam-piadidiana maha-eveka sy ny filohany, ny Papa

Laharana 887 amin’ny Katesizy

Ny Fiangonana eo an-toerana mifanakaiky sy mitovy kolontsaina no mitambatra ho fari-piadidiam-piangonana na vondrom-paritra midadasika antsoina hoe patriarkà na faritany[410]. Ny Eveka amin’ireo vondrom-paritra ireo dia afaka mivory amin’ny sinôda na amin’ny kônsilim-paritany. “Tahaka izany, ny Fivondronan’ny Eveka, ankehitriny, dia afaka manampy amin’ny fomba maro sy mahavokatra mba ho hita mivaingana ny toe-tsaina amam-panahin’ny fiombonam-piadidiana”[411].

Loharano ôfisialy ↗