Ny adidy aman’andraikitra hampianatra

Laharana 889 amin’ny Katesizy

Mba hitazonana ny Fiangonana ao anatin’ny finoana madio tsy misy fahony nampitain’ny apôstôly, dia sitrak’i Kristy ny nanome ny Fiangonany ny fandraisana anjara amin’ny tsy feteza-mandiso momba ny fampianarana ananan’ny tenany, Izy ilay Fahamarinana. Amin’ny “hevi-pinoana mihoatra ny fahalalan’ny sain’ olombelona”, ny Vahoakan’Andriamanitra dia “miraiki-po maharitra amin’ny finoana”, eo ambany fitarihan’ny Toniam-pampianarana velon’ny Fiangonana[415].

Loharano ôfisialy ↗