Ny fiombonam-piadidiana maha-eveka sy ny filohany, ny Papa
Laharana 883 amin’ny Katesizy
“Ny fiombonam-piadidiana na vondron’ny maha-eveka, dia tsy manana fahefana raha tsy fantatra fa tena mikambana amin’ny Evekan’i Rôma, amin’ny maha-filohany azy. Tahaka izany, io fiombonam-piadidiana io, no “fototry ny fahefana fara tampony sy feno koa eo amin’ny Fiangonana manontolo, fahefana izay tsy azo ampiasaina anefa, raha tsy miaraka amin’ny fankatoavan’ny Evekan’i Roma”[401].