Ny apôstôlà

Laharana 865 amin’ny Katesizy

Iray, masina, katôlikaaryapôstôlika ny Fiangonana, ao amin’ny maha-izy azy lalina sy farany, satria ao aminy no efa misy rahateo sy ho tanteraka amin’ny farandro “ ny Fanjakan’ny lanitra”, “ny Fahefan’Andriamanitra manjaka”[376], tonga ao amin’ny Tenan’i Kristy sy mitombo amin’ny fomba  mistery ao am-pon’ireo izay voakambana Aminy, ambara-piharihariny tanteraka any am-parany any. Koa noho izany, ny olombelona rehetra navotany, voaverina ao Aminy ho “masina sy madio tsy misy pentim-pahotana eo anatrehan’Andriamanitra anatin’ny Fitiavana”[377], dia hangonina ho Vahoaka tokan’Andriamanitra, “ho Vadin’ny Zanak’Ondry” (Apôk 21,9) “ho Tanàna masina nidina avy any an-Danitra, avy amin’Andriamanitra, mitondra ao aminy ny Voninahitr’Andriamanitra”[378]; ary “ny mandan’ny tanàna dia miorina eo ambonin’ny vato fanorenana roa ambin’ny folo samy mitondra ny anarana tsirairay an’ireo apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’Ondry” (Apôk 21,14).

FAMINTINANA

Loharano ôfisialy ↗