Ny apôstôlà

Laharana 864 amin’ny Katesizy

“I Kristy nirahin’ny Ray no loharano sy fiandohan’ny apôstôlà rehetra ataon’ny Fiangonana”, koa miharihary fa ny fahavokaran’ny apôstôlà, na ny an’ny mpandraharaha voahosotra na ny an’ny lahika, dia miankina amin’ny fiombonan’izy ireo aina amin’i Kristy[374]. Arakaraka ny fiantsoana, ny antso takìn’ny vaninandro, ny fanomezan-tsamihafa avy amin’ny Fanahy Masina, no ahazoan’ny apôstôlà endrika samihafa indrindra. Kanefa ny fitiavana lalandava, tovozina indrindra ao amin’ny Eokaristia, no “toy ny ain’ny apôstôlà rehetra”[375].

Loharano ôfisialy ↗