I Kristy Jesoa

Laharana 730 amin’ny Katesizy

Farany, tonga ny Oran’i Jesoa[102] : mametraka ny fanahiny eo am-pelatanan’ ny Ray[103] i Jesoa amin’ny fotoana izay mahatonga Azy ho mpandresy ny fahafatesana amin’ny Fahafatesany, hany ka “ny fitsanganany ho velona avy amin’ny maty, tamin’ny Voninahitry ny Ray” (Rôm 6,4), no anomezany avy hatrany ny Fanahy Masina amin’ny “fitsofana”eo amin’ireo mpianany[104]. Manomboka hatramin’io Ora io, tonga fanirahana ny Fiangonana ny fanirahana an’i Kristy sy ny Fanahy :  “Tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo koa” (Jo 20,21)[105].

Loharano ôfisialy ↗