I Kristy Jesoa
Laharana 729 amin’ny Katesizy
Tamin’ny nahatongavan’ny Ora izay hanomezam-boninahitra Azy ihany i Jesoa no nampanantena ny fahatongavan’ny Fanahy Masina, satria ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona no ho fahatanterahan’ny fampanantenana natao tamin’ireo Razambe[101] : ny Fanahin’ny Fahamarinana, ny Parakleto hafa, dia homen’ny Ray amin’ny vavak’i Jesoa ; hirahin’ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa Izy ; hirahin’i Jesoa avy amin’ny Ray Izy satria ny Ray no niaviany. Ho avy ny Fanahy Masina, ho fantatsika Izy, hiaraka amintsika mandrakizay Izy, honina hiaraka amintsika Izy ; hampianatra antsika ny zavatra rehetra Izy sy hampahatsiaro antsika izay rehetra nolazain’i Kristy antsika ary ho vavolombelona hanambara Azy ; hitondra antsika amin’ny marina rehetra Izy sady hanome voninahitra an’i Kristy. Raha ny amin’izao tontolo izao kosa, handresy lahatra ny amin’ny fahotana, ny amin’ny fahamarinana ary ny amin’ny fitsaràna Izy.