I Kristy Jesoa
Laharana 728 amin’ny Katesizy
Tsy nanambara manontolo ny Fanahy Masina i Jesoa raha tsy efa nomem-boninahitra tamin’ny Fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona Izy. Kanefa, nasiany tsipy teny tsikelikely izany, na dia tamin’ny fampianarany ny vahoaka aza, rahefa nanambara Izy fa ho fihinana ny Nofony ho fiainan’ izao tontolo izao[95]. Nasiany tsipy teny koa izany tamin’i Nikôdema[96], tamin’ ilay Vehivavy samaritanina[97] ary tamin’ireo izay nandray anjara tamin’ny fetin’ny Tranolay[98]. Tamin’ny mpianany Izy no niteny izany miharihary tamin’ny resaka momba ny fivavahana[99] sy ny fijoroana vavolombelona izay hataon’izy ireo[100].