Andriamanitra no naneho voalohany ny fitiavam-panavotany ny daholobe

Laharana 605 amin’ny Katesizy

Tsy manavakavaka io fitiavana io ; nampahatsiahivin’i Jesoa izany raha namarana ny fanoharana momba ilay ondry very  Izy hoe  :  “Toy izany koa,   tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza” (Mt 18,14).  Hizingizininy ny hoe “mahafoy ny ainy Izy, ho fanavotana ny be sy ny maro” (Mt  20,28) ;  tsy misy famerana io  teny farany io : ny fitambaran’ny olombelona no ampifanoheriny amin’ny singan’olona Mpanavotra izay nanolotra ny tenany hamonjena azy ireo[450]. Ny Fiangonana, eo am-panarahan-dia ny apôstôly[451],  dia mampianatra fa maty ho an’ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka i Kristy. “Tsy nisy, tsy misy ary tsy hisy olona na dia iray aza, izay tsy nijalian’i Kristy mba hanavotana azy”[452].

Loharano ôfisialy ↗