Fanatitra ho an’ny Ray ny fiainan’i Kristy manontolo
Laharana 606 amin’ny Katesizy
Ilay Zanak’Andriamanitra, nidina avy tany an-danitra tsy hanao ny sitrapony fa ny an’ny Rainy izay naniraka Azy[453], “tamin’ny nidirany teto amin’izao tontolo izao, dia nilaza hoe : (...) Inty aho tonga (...) hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô. (...) Noho ny herin’io sitrapo io no nanamasina antsika tamin’ny fanolorana ny Tenan’i Jesoa-Kristy, indray mandeha monja” (Heb 10,5-10). Hatramin’ny fotoana voalohany Nahatongavany ho nofo, no niandany tamin’ny fandaharam-pamonjen’Andriamanitra amin’ny maha-iraka mpanavotra Azy ny Zanaka : “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy, sy ny manatanteraka ny tsanganasany” (Jo 4,34). Ny soron’i Jesoa “noho ny fahotan’izao tontolo izao” (l Jo 2,2) no fanehoana ny fiombonam-pitiavany amin’ny Ray : “Tia Ahy ny Ray satria mahafoy ny aiko Aho” (Jo 10,17). “Mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray ka araka izay nandidian’ny Ray Ahy no ataoko”(Jo 14,31).