Andriamanitra no naneho voalohany ny fitiavam-panavotany ny daholobe
Laharana 604 amin’ny Katesizy
Tamin’ny nanolorany ny Zanany noho ny fahotantsika no nampisehoan’ Andriamanitra, fa ny fandaharany momba antsika dia fandaharam-pitiavana izay mialoha ny fahamendrehana rehetra ahazoantsika valisoa: “Toy izao izany fitiavana izany : tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika noho ny fahotantsika” (1 Jo 4,10)[449]. “Ny porofo fa tia antsika Andriamanitra, dia i Kristy maty ho antsika, fony mbola mpanota isika” (Rôm 5,8).