III. Jesoa sy ny finoan’i Israely an’Andriamanitra Tokana sady Mpamonjy
Laharana 588 amin’ny Katesizy
Nanafintohina ny Farisianina i Jesoa izay sady nihinana niaraka tamin’ny poblikanina sy ny mpanota[385], no nifankahazo koa tamin’ny tenan’izy ireo[386]. Ho fanoherany an’ireo “izay natoky tena ho marina sy nanebaka ny namany” (Lk 18,9)[387] amin’ny samy izy ireo, dia hoy i Jesoa nanamafy : “Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka” (Lk 5,32). Mbola lasa lavidavitra kokoa noho izany Izy tamin’ny fanambaràna teo anatrehan’ny Farisianina fa manenika an’izao tontolo izao ny fahotana[388], ka izay mihambo ho tsy mila famonjena dia minia mikimpy amin’ny tenan’izy ireo ihany[389].