Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra.

Laharana 507 amin’ny Katesizy

Sady virjiny no reny i Maria, satria izy no endrika sy lavorary indrindra amin’ny fahatanterahan’ny Fiangonana[174]. “Manjary Reny koa ny Fiangonana, noho ny Tenin’Andriamanitra izay raisiny amim-pinoana : satria, amin’ny alalan’ny fitorian-teny, ary amin’ny alalan’ny Batemy no iterahany, amin’ny fiainana vaovao sy maharitra mandrakizay, an’ireo zanaka noforonin’ny Fanahy Masina sy aterak’ Andriamanitra. Virjiny koa ny Fiangonana, amin’ny nanomezany ho an’ilay Vadiny ny finoany marina sy madio tsy misy pentina, izay notahiriziny”[175].

FAMINTINANA

Loharano ôfisialy ↗