Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra.

Laharana 508 amin’ny Katesizy

Tamin’ny taranak’i Eva Andriamanitra no nifidy an’i Maria Virjiny ho Renin’ny Zanany. Noho izy  “feno hasoavana”, dia izy no “ilay vokatra tsara dia tsara indrindra avy amin’ny Fanavotana”[176] : hatramin’ny fotoana voalohany namoronana azy tao am-bohoka, dia narovana tanteraka mialoha tsy ho voan’ny lotom-pahotana tamin’ny fototra izy, ary maharitra ho madio tsy misy pentin’ny fahotana rehetra an’ny isam-batan’olona, amin’ny fiainany manontolo.

Loharano ôfisialy ↗