Ny maha-reny virjiny an’i Maria ao amin’ny fandaharan’ Andriamanitra.
Laharana 506 amin’ny Katesizy
Virjiny i Maria satria ny maha-virjiny azy no famantarana ny fînoany “tsy simban’ny fisalasalana na dia kely aza”[171] sy ny fanoloran-tenany iray manontolo amin’ny sitrapon’Andriamanitra[172]. Ny finoany no nahatonga azy ho renin’ny Mpamonjy : “Sambatra i Maria, ary vao mainka sambatra, satria sady nandray ny finoan’i Kristy izy, no niforonan’ny nofon’i Kristy”[173].