IV. Ny olombelona tao am-Paradisa
Laharana 378 amin’ny Katesizy
Famantarana ny fifankahazarana amin’Andriamanitra, ny nametrahany ny olombelona tao an-jaridaina[266]. Niaina tao ny olombelona “mba hiasa ny tany sy hiambina azy” (Jen 2,15) : tsy sazy ny asa[267], fa fiaraha-miasan’ny lehilahy sy ny vehivavy amin’Andriamanitra amin’ny fandavorariana ny zavaboary hita maso.