IV. Ny olombelona tao am-Paradisa

Laharana 377 amin’ny Katesizy

Ny “fizakana” an’izao tontolo izao izay nomen’Andriamanitra ny olombelona hatrany am-piandohana, dia tanteraka tokoa aloha, tao amin’ny tenan’ny olombelona ihany, ho fifehezany ny tenany. Nadio tsy nisy pentina sady nilamina tamin’ny fisian-tenany manontolo ny olombelona, satria tsy azon’ny fanirian-dratsy[265] telo loha izay mitondra azy ho amin’ny hafinaretam-pilan’ny nofo, amin’ny fitsiriritan-karen’ny tany ary amin’ny fanamarinan-tena manohitra ny didim-pahendrena.

Loharano ôfisialy ↗