II. Ny tontolo hita maso
Laharana 337 amin’ny Katesizy
Ny Tenan’Izy Andriamanitra rahateo ihany no nahary ny tontolo hita maso araka ny hareny manontolo, ny maha-samihafa azy ary ny filaminany. Asehon’ny Soratra an’ohatra ny tsanganasan’ny Mpahary ho toy ny fitohizan’ny andro enina mandravona ny “asan” ’Andriamanitra, izay mifarana amin’ny “fialan-tsasatra” amin’ny andro fahafito[216]. Ny lahatsoratra masina, amin’ny resaka momba ny fahariana, dia mampianatra ny marina nambaran’Andriamanitra momba ny famonjena antsika[217], izay ahafahana “mahalala ny fomba aman-toetra lalin’ny fahariana, ny soatoaviny ary ny tanjony farany izay tsy inona fa ny Voninahitr’Andriamanitra”[218] :