Ny anjely eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana
Laharana 336 amin’ny Katesizy
Amin’ny fanombohan’ (fisian’)ny fiainana[211] ka hatramin’ny fahafatesana[212], dia mambomba ny fiainan’ny olombelona ny fiambenan’izy ireo[213] sy ny fanelanelanan’izy ireo[214]. “Samy manana anjely iray ho mpiaro sy ho mpiandry azy eo anilany ny mpino tsirairay, mba hitondra azy ho any amin’ny fiainana”[215]. Manomboka eto an-tany no mandray anjara, ao anatin’ ny finoana, amin’ny fiaraha-monina sambatry ny anjely sy ny olombelona, miray ao amin’Andriamanitra, ny fiainana kristianina.