II. Ny tontolo hita maso
Laharana 338 amin’ny Katesizy
Tsy misy na inona na inona raha tsy Andriamanitra Mpahary no mampisy azy. Nanomboka izao tontolo izao rahefa navoakan’ny Tenin’Andriamanitra avy amin’ny tsy misy ; ny zavatra rehetra misy, ny voary manontolo, ny tantara manontolo ny olombelona dia miorim-paka amin’io zava-niseho hatrany am-boalohany io : izany mihitsy no fiandohana izay niorenan’izao tontolo izao, sy nanombohan’ny fotoana[219].