Paragrafy 5. Ny lanitra sy ny tany
Laharana 326 amin’ny Katesizy
Ao amin’ny Soratra Masina, ny fomba fiteny hoe : “lanitra sy tany” dia midika hoe izay rehetra misy, ny voary manontolo. Enti-manondro ny fifandraisana ao anatin’ny voary izay sady mampikambana no mampiavaka ny lanitra sy ny tany koa izany : “Ny tany” no tontolon’ny olombelona[180]. “Ny lanitra” na “ireo lanitra”, dia azo anondroana ny habakabaka[181], nefa koa ny “toerana” manokana an’Andriamanitra: “Rainay any an-danitra” (Mt 5,16)[182], ary noho izany koa, ny “lanitra” no voninahitra any am-parany any. Farany, ny teny hoe “lanitra” dia manondro ny “toeran’ “ny zavaboary ara-panahy - ny anjely – izay manotrona an’Andriamanitra .