Paragrafy 5. Ny lanitra sy ny tany

Laharana 327 amin’ny Katesizy

Ny fiekem-pinoan’i Kônsily fahefatra tao Latran dia manamafy fa Andriamanitra, “hatrany am-piandohan’ny fotoana, no nahary indray miaraka ny samy voary, avy amin’ny tsy misy, na ny voary ara-panahy na ny voary ara-batana, izany hoe ny anjely sy ny tontolon’ny tany ; manaraka izany, ny olombelona izay zavaboary mandray roa, itambaran’ny fanahy sy ny vatana”[183].

Loharano ôfisialy ↗