Ny misterin’ny toa fahalemen’Andriamanitra
Laharana 276 amin’ny Katesizy
Matoky ny porofo velona hita ao amin’ny Soratra Masina ny Fiangonana, ka manandratra matetika ny vavaka ataony “amin’ Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay” (“ommipotens sempiterne Deus…”), amin’ny finoana mafy tsy voahozongozona fa “tsy misy tsy hain’Andriamanitra hatao” (Lk 1,37)[115].