Adidin’ny fiaraha-monina momba ny fivavahana sy ny zo amin’ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana
Laharana 2104 amin’ny Katesizy
“Ny olombelona rehetra dia tsy maintsy mikatsaka ny fahamarinana, indrindra amin’izay mahakasika an’Andriamanitra sy ny Fiangonany ; ary rahefa mahafantatra izany izy ireo, dia hisafidy izany ka tsy hivadika aminy”[20]. Avy “amin’ny toetra voa-Janahary maha-olona ny olona mihitsy”[21] io adidy io. Tsy manohitra ny “fanajana amin-kitsim-po” ho an’ireo antokom-pivavahana samihafa anefa izany, “izay matetika mitondra tsiri-pahamarinana manazava ny olona rehetra”[22] ;tsy manohitra koa ny takìn’ny fitiavana izay manery ny kristianina “hanao asa amam-pihetsika ombàn’ny fitiavana, ny fahamalinana ary ny faharetana, eo anatrehan’ireo izay tafalatsaka ao anatin’ny hevi-diso na ao anatin’ny tsy fahalalana ny finoana”[23].