Fanomezan-toky sy voady
Laharana 2103 amin’ny Katesizy
Eken’ny Fiangonana ny soatoavina fakan-tahaka amin’ny voady hampiharana ireo torohevitry ny Evanjely[17] :
Mifaly ny Fiangonana Renintsika eo am-pahitana fa ao aminy dia betsaka ny lehilahy sy ny vehivavy te-hanara-dia akaikikaiky kokoa ny Mpamonjy, sy te-haneho mazavazava kokoa ny fanetren-tenan’ny Mpamonjy, amin’ny fiainana ny fahantrana ao anatin’ny fahafahan’ny zanak’Andriamanitra, sy amin’ny fandavana ny sitrapon’ny tena ; tsy iza izany fa ireo lehilahy sy ireo vehivavy manaiky hofehezin’olona araka an’Andriamanitra, eo am-pikatsahana ny fahalavorariana mihoatra noho izay takìn’ny didy, mba hanahaka tanteraka tokoa an’i Kristy fatra-panaiky [18].
Amin’ny toe-javatra sasany, azon’ny Fiangonana atao, amin’ny antony voalanjalanja, ny manafaka ny voady sy ny fanomezan-toky[19].