Adidin’ny fiaraha-monina momba ny fivavahana sy ny zo amin’ny fahazoa-mivavaka an-kalalahana

Laharana 2105 amin’ny Katesizy

Ny adidy amin’ny fanompoana marina an’Andriamanitra dia mahakasika ny olombelona amin’ny tenany manokana sy ao anatin’ny fiaraha-monina. Izany no “fitambaram-pampianarana katôlika nampitain’ny lovantsofina, momba ny adidy ara-môraly ho efain’ny olona sy ny fiaraha-monina ny amin’ny fivavahana marina sy ny Fiangonana tokan’i Kristy”[24]. Amin’ny fitoriana tsy an-kijanona ny Evanjely amin’ny olombelona, dia miasa ny Fiangonana mba hahafahan’izy ireo “mampiditra hevitra kristianina amin’ ny toe-tsaina sy ny fomba fiainana amam-pitondran-tena, ny lalàna sy ny rafitry ny fiaraha-monina izay iainan’izy ireo”[25]. Ny adidy ara-piaraha-monin’ny kristianina dia ny manaja sy ny mitandrina ao amin’ny olona tsirairay ny fitiavana ny marina sy ny tsara. Takìna amin’izy ireo ny hampahalala ny fanompoam-pivavahana tokana sy marina izay misy ao amin’ny Fiangonana katôlika sy apôstôlika[26]. Voantso ho fahazavan’izao tontolo izao ny kristianina[27]. Amin’izany ny Fiangonana no maneho ny fanjakan’i Kristy amin’ny voary manontolo, ary singanina manokana ny eo amin’ny fiaraha-monin’ny olombelona[28].

Loharano ôfisialy ↗