V. Iza no mahazo manome ity sakramenta ity ?

Laharana 1576 amin’ny Katesizy

Satria ny sakramentan’ny Filaharana no sakramentan’ny andraiki-panompoana maha-apôstôly, ka anjaran’ny Eveka amin’ny maha-dimbin’ ny apôstôly azy ireo, ny mampita ny “fanomezana ara-panahy”[66], “ny voa mamoa avy amin’ny apôstôly”[67]. Ny Eveka voahasina ara-dalàna, izany hoe izay ao amin’ny laharan’ny fifandimbiasana maha-apôstôly, no manome ara-dalàna ny ambaratonga telo amin’ny sakramentan’ny Filaharana[68].

Loharano ôfisialy ↗