VI. Iza no mahazo mandray ity sakramenta ity ?
Laharana 1577 amin’ny Katesizy
“Ny lehilahy (vir) vita batemy ihany no mahazo mandray ara-dalàna ny fanamasinana amin’ny filaharana masina”[69]. Nifidy lehilahy maro (viri) i Jesoa Tompo mba hamorona ny fiombonam-piadidian’ny apôstôly roa ambin’ny folo[70], ary izany koa no nataon’ny apôstôly, rahefa nifidy ny mpiara-miasa taminy izy ireo[71], izay nandimby azy ireo teo amin’ny lahasany[72]. Ny fiombonam-piadidian’ny Eveka, izay miaraka aminy ny Pretra no mikambana amin’ny maha-mpisorona, no mahatonga ho eo sy ahitana ankehitriny ny fiombonam-piadidian’ny roa ambin’ny folo lahy, mandra-piverin’i Kristy. Mahatsiaro tena ho voafehin’izany safidin’ny Tenan’Izy Tompo izany ny Fiangonana. Izany no antony tsy mahamety ny fanamasinana ny vehivavy ho amin’ny sakramentan’ny Filaharana[73].