V. Iza no mahazo manome ity sakramenta ity ?
Laharana 1575 amin’ny Katesizy
I Kristy no nifidy ny apôstôly sy nanome azy ireo anjara amin’ny fanirahana azy sy amin’ny fahefany. Nony tafasandratra eo an-kavanan’ ny Ray Izy, dia tsy mandao ny andian’ondriny, fa miandry azy amin’ny alalan’ny apôstôly, eo ambany fiarovany maharitra, sy mbola mitarika azy amin’ny alalan’ireo mpiandry ondry ireo ihany, izay manohy ny tsanganasany ankehitriny[63]. Koa i Kristy àry, “no manome” ny sasany ho apôstôly, ny sasany ho mpiandry ondry[64]. Manohy miasa amin’ny alalan’ ny Eveka Izy[65].