Ny Testamenta Vaovao
Laharana 127 amin’ny Katesizy
Mitana toerana tsy manam-paharoa ao amin’ny Fiangonana ny Evanjely amin’ny endrika efatra, izay porofoin’ny fanajana omen’ny litorzia izany, sy ny hery manintona tsy manan-tsahala izay niasa tamin’ny fotoana rehetra teo amin’ny olomasina :
Tsy misy fitambaram-pampianarana tsara kokoa, sarobidy kokoa, kanto kokoa noho ny lahatsoratry ny Evanjely. Jereo sy tadidio izay nampianarin’ny Tompontsika sady Mpampianatra, dia i Kristy, tamin’ny teniny sy notanterahiny tamin’ny asany[125].
Fa ambonin’ny zavatra rehetra, ny Evanjely no mampaharitra ahy amin’ny vavaka ataoko; ao aminy no ahitako izay rehetra ilain’ny fanahiko mahantra. Ao no ahitako lalandava ny fahazavana vaovao, ny hevi-miafina sy mifono mistery[126].