Ny maha-tokana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao
Laharana 128 amin’ny Katesizy
Ny Fiangonana, efa hatramin’ny andron’ny apôstôly[127], ary tsy miova tao amin’ny Lovam-pampianarany, dia nanazava ny maha-tokana ny drafitr’ asan’Andriamanitra ao amin’ireo Testamenta anankiroa noho ny tandindona raketiny (typologie). Izany tandindona raketiny izany no andanjalanjana ao amin’ny tsanganasan’Andriamanitra tamin’ny Fanekem-pihavanana Taloha ny fampisehoana mialoha izay notanterahin’Andriamanitra tao amin’ny Zanany tonga nofo, nony feno ny fotoana.