Ny Testamenta Vaovao

Laharana 126 amin’ny Katesizy

Azo avahana ho dingana telo ny niforonan’ireo Evanjely :

1. Ny fiainana sy ny fampianaran’i Jesoa. Ny Fiangonana dia mitana mafy tsy azo hozongozonina fa ireo Evanjely efatra, “izay lazainy marina tsy amim-pihambahambana ny fisiany ara-tantara, dia mampita araka ny tena izy izay nataon’i Jesoa ilay Zanak’Andriamanitra sy nampianariny marina tokoa, nandritra ny fiainany teo anivon’ny olombelona, ka hatramin’ny andro izay nampakarana Azy any an-danitra, ho famonjena azy ireo mandrakizay”.

2. Ny lovam-panahy nampitaina am-bava. “Taorian’ny Fiakaran’ny Tompo any an-danitra, dia nampitain’ny apôstôly tamin’ny mpihaino azy ireo, izay nolazain’ny Tompo sy nataony, tamim-pahalalana lalindalina kokoa ny zavatra izay nahafaly ny tenan’izy ireo, dia izy ireo izay nahazo fianarana avy amin’ny zava-niseho malaza momba an’i Kristy sy nohazavain’ny Fanahin’ny fahamarinana”.

3. Ireo Evanjely vita an-tsoratra. “Ny mpanoratra masina àry no nandahatra an-tsoratra ny Evanjely efatra, nifantina ny sasantsasany tamin’ireo zavatra maro, na am-bava na efa vita an-tsoratra, namintina ny efa vitan’ny sasany, na nanazava izany araka ny toe-javatra nisy niainan’ny Fiangonana, ary farany, nitàna ny endriky ny toriteny, izay hampitana lalandava amintsika ireo zavatra marina sy  mahitsy momba an’i Jesoa”[124].

Loharano ôfisialy ↗