Vavaka sy litorzia
Laharana 1073 amin’ny Katesizy
Fandraisana anjara koa amin’ny vavak’i Kristy ny litorzia, avantana amin’ny Ray ao amin’ny Fanahy Masina. Ao aminy no ahitan’ny vavaka kristianina manontolo ny fiandohany sy ny fiafarany. Amin’ny alalan’ny litorzia, ny olona anaty no mamahatra sy miorina[12] amin’ny “fitiavana lehibe izay itiavan’ny Ray antsika” (Efez 2,4) ao amin’ny Zanany Malalany. Izany dia iray ihany amin’ny “zava-mahagaga ataon’ Andriamanitra” izay iainana sy ampidirina ao anaty amin’ny alalan’ny vavaka rehetra “atao lalandava, ao amin’ny Fanahy” (Efez 6,18).