Loharanon’aina ny litorzia
Laharana 1072 amin’ny Katesizy
“Tsy mahatapitra ny asa rehetra sahanin’ny Fiangonana akory ny litorzia”[11]: tokony hialohavan’ny fitoriana ny Evanjely, ny finoana ary ny fibebahana izy ; koa noho izany, afaka mitondra ny vokany ao amin’ny fiainan’ny mpino izy : ny Fiainam-baovao araka ny Fanahy, ny firotsahana eo amin’ ny fanirahana ny Fiangonana ary ny fanompoana ho amin’ny Firaisany.