Katesezy sy litorzia
Laharana 1074 amin’ny Katesizy
“Ny litorzia no fara tampony amin’izay kendrena amin’ny asan’ny Fiangonana, sady koa loharano ipoiran’ny heriny manontolo”[13]. Izy izany no toerana fanovozan-tsoa manokana amin’ny katesezin’ny Vahoakan’ Andriamanitra. “Mifamatotra anaty amin’ny asa rehetra ara-litorzia sy ara-tsakramenta ny katesezy, satria amin’ny sakramenta, fa indrindra amin’ny Eokaristia i Jesoa-Kristy no manao asa feno fatra ho amin’ny fanovàna ny olombelona”[14].