← Lohahevitra rehetra

Kônsiansy môraly

Laharana 27

  1. 1776 Ny kônsiansy môraly “Tsapan’ny olombelona ao amin’ny kônsiansiny lalina ao ny fisiana lalàna iray izay tsy avy amin’ny tenany, nefa manery azy hanaiky izany. Io feo io izay tsy mitsahatra ny manery azy ho tia …
  2. 1777 I. Ny fitsaràn’ny kônsiansy Ny kônsiansy môraly izay voasoratra ao am-pon’ny olona [66] , no mandidy azy hanatanteraka ny tsara sy handositra ny ratsy, amin’ny fotoana sahaza izany. Izy koa no mitsara ny safidy azo tsapain-tanana, …
  3. 1778 I. Ny fitsaràn’ny kônsiansy Ny kônsiansy môraly dia fitsaràn’ny saina izay ahalalan’ny olombelona ny toetra ara-môraly amin’ny asa iray azo tsapain-tanana izay hapetrany, ka mbola eo am-panatanterahana izany na efa notanterahina. Ny olona, amin’izay rehetra lazainy …
  4. 1779 I. Ny fitsaràn’ny kônsiansy Zava-dehibe ilaina amin’ny tsirairay ny ampy fahatsiarovan-tena mba hihaino sy hanaraka ny feon’ny kônsiansiny. Izany fangatahana hahatsapa ao anaty izany dia ilaina tokoa noho ny fiainana, izay matetika mitarika antsika tsy hisaintsaina, …
  5. 1780 I. Ny fitsaràn’ny kônsiansy Milaza tsy mivantana sy mitaky ny fahitsian’ny kônsiansy môraly ny fahamendrehan’ny olombelona. Ny kônsiansy môraly no mampahazo an-tsaina ny fototry ny toetram-pitondran-tena (fahalalam-pitsipika voa-Janahary), ny fampiharana azy ireny amin’ny fisehoan-javatra avy amin’ny …
  6. 1781 I. Ny fitsaràn’ny kônsiansy Ny kônsiansy no ahafahana miantsoroka ny andraikitra amin’ny asa nankinina. Raha manao ratsy ny olona, ny marina amin’ny fitsaràn’ny kônsiansiny kosa dia mety haharitra ao aminy ho vavolombelon’ny marina mahahenika ny tontolon’ny …
  7. 1782 I. Ny fitsaràn’ny kônsiansy Manana zo handeha araka ny kônsiansy sy an-kalalahana ny olona mba hahafahan’ny tenany mandray fanapahan-kevitra ara-môraly. “Tsy azo terena hanao asa amam-pihetsika mifanohitra amin’ny kônsiansiny ny olona. Kanefa tsy azo sakanana tsy …
  8. 1783 II. Ny fanabeazana ny kônsiansy Mila ampahafantarina ny kônsiansy ary mila azavaina ny fitsaràna ara-môraly. Mahitsy sady marina ny kônsiansy nobeazina tsara. Lazainy mazava tsara araka ny fahamarinana ny fitsaràny, sy araka ny soa tena izy takìn’ny …
  9. 1784 II. Ny fanabeazana ny kônsiansy Lahasa mandritra ny fiainana manontolo ny fanabeazana ny kônsiansy. Manomboka amin’ireo taona voalohandohany iainan’ny zaza, io fanabeazana io no ampahiratana ny sainy amin’ny fahalalana sy amin’ny fanatanterahana ny lalàna anaty eken’ny kônsiansy …
  10. 1785 II. Ny fanabeazana ny kônsiansy Ny Tenin’Andriamanitra no fahazavana mitsilo ny diantsika, amin’ny fanabeazana ny kônsiansy ; ilaintsika ny mitsakotsako azy amin’ny finoana sy amin’ny fivavahana, sy ny mampihatra azy amin’ny fiainana. Mbola ilaintsika koa ny mandinika …
  11. 1786 III. Misafidy araka ny kônsiansy Ny kônsiansy, eo anatrehan’ny safidy ara-môraly, dia mety hanao fitsaràna mahitsy mifanaraka amin’ny saina sy amin’ny lalànan’ Andriamanitra, na mety koa hanao fitsaràna diso ka tsy mifanaraka amin’ izany.
  12. 1787 III. Misafidy araka ny kônsiansy Indraindray ny olona, mifanandrina amin’ny toe-javatra izay mahatonga ny fitsaràna ara-môraly ho tsy azo antoka loatra sy ny fanapahan-kevitra ho sarotra. Kanefa tsy maintsy mikaroka izay marina sy tsara izy, sy mandanjalanja …
  13. 1788 III. Misafidy araka ny kônsiansy Araka izany, miezaka ny olombelona hanazava ny dikan’ireo hevitra avy amin’ny fandinihana azo tamim-pahazarana sy ireo fambara miseho ankehitriny noho ny herin’ny fahamalinana, noho ny torohevitry ny olona kinga saina ary noho …
  14. 1789 III. Misafidy araka ny kônsiansy Fitsipika vitsivitsy sahaza ny sehon-javatra rehetra : - Tsy azo atao na oviana na oviana ny manao ny ratsy mba hahazoan-tsoa. - Ny “fitsipika volamena” : “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, …
  15. 1790 IV. Ny fitsaràna diso Tokony hanaiky lalandava ny fitsaràna marina tsy misy mampisalasala ny kônsiansiny ny olombelona. Raha tamin’ny nahim-po no nanoherany ny kônsiansy, dia manameloka ny tenany ihany ny olombelona. Kanefa mety ho azon’ny tsy …
  16. 1791 IV. Ny fitsaràna diso Izany tsy fahalalana izany matetika dia azo lazaina ho avy amin’ny andraikitry ny tena ihany. Mety ho tonga amin’izany, “raha toa ny olona tsy rototra hitady ny marina sy ny tsara, ary …
  17. 1792 IV. Ny fitsaràna diso Ny tsy fahalalana an’i Kristy sy ny Evanjeliny, ny oha-dratsy omen’ny hafa, ny fanandevozan’ny firehetam-po, ny fihamboana hahavita tena amin’ny fihainoana vilana ny kônsiansy, ny fandavana ny manam-pahefan’ny Fiangonana sy ny fampianarany, …
  18. 1793 IV. Ny fitsaràna diso Ny mifanohitra amin’izany, raha tsy mety resy ny tsy fahalalana, na tsy misy andraikitra momba ny môraly ny fitsaràna diso, dia mety tsy hahadiso ny olona ny ratsy nataony. Saingy, tsy manala …
  19. 1794 IV. Ny fitsaràna diso Ny finoana marina no manazava ny kônsiansy tsara sy madio. Satria avy amin’ny fitiavana avokoa no iandohan’ny “fo madio, kônsiansy tsara ary finoana tsy miolakolaka” (1 Tim 1,5) [74] . Arakaraka ny …
  20. 1795 IV. Ny fitsaràna diso “ Ny kônsiansy no foibe lalina indrindra sy miafina indrindra ao amin’ny olombelona, toera-masina izay ao izy irery no miaraka amin’ Andriamanitra sy maheno ny feon’Izy Andriamanitra ” [76] .
  21. 1796 IV. Ny fitsaràna diso .Ny kônsiansy môraly dia fitsaràn’ny saina izay ahalalan’ny olombelona ny toetra ara-môraly amin’ny asa iray azo tsapain-tanana.
  22. 1797 IV. Ny fitsaràna diso Ho an’ny olona izay nanao ratsy, ny valim-pitsaràn’ny kônsiansiny no mipetraka ho antoky ny fibebahany sy ny fanantenany.
  23. 1798 IV. Ny fitsaràna diso Mahitsy sady marina ny kônsiansy nobeazina tsara. Lazainy mazava tsara araka ny fahamarinana ny fitsaràny, sy araka ny soa tena izy takìn’ny fahendren’ilay Mpahary. Samy tokony handray izay fomba hanabeazany ny kônsiansiny …
  24. 1799 IV. Ny fitsaràna diso Ny kônsiansy, eo anatrehan’ny safidy ara-môraly, dia mety hanao fitsaràna mahitsy mifanaraka amin’ny saina sy amin’ny Lalànan’ Andriamanitra, na mety koa hanao fitsaràna diso ka tsy mifanaraka amin’ izany.
  25. 1800 IV. Ny fitsaràna diso Tokony hanaiky lalandava ny fitsaràna marina tsy misy mampisalasala ny kônsiansiny ny olombelona.
  26. 1801 IV. Ny fitsaràna diso Mety hijanona ao anatin’ny tsy fahalalana na hitondra ho amin’ny fitsaràna diso ny kônsiansy môraly. Tsy hoe manafaka lalandava amin’ny maha-meloka akory ireny tsy fahalalana mbamin’ny fahadisoana ireny.
  27. 1802 IV. Ny fitsaràna diso Ny Tenin’Andriamanitra no fahazavana mitsilo ny diantsika. Ilaintsika ny mitsakotsako azy amin’ny finoana sy amin’ny fivavahana, sy ny mampihatra azy amin’ny fiainana. Ary amin’izany no hibeazan’ny kônsiansy.