Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2798 IV. “Izay any an-danitra” Afaka miantso an’Andriamanitra ho “Ray” isika, satria ny Zanak’ Andriamanitra tonga olombelona no nanambara Azy tamintsika, izay ao Aminy, amin’ny alalan’ny Batemy, no nanakambanana sy nananganana antsika ho zanak’Andriamanitra.
  2. 2799 IV. “Izay any an-danitra” Mampiombona antsika amin’ny Ray sy amin’i Jesoa-Kristy Zanany, ny vavaky ny Tompo. Mampiseho amin’ny tenantsika ny maha-isika antsika koa ny vavaky ny Tompo [54] .
  3. 2800 IV. “Izay any an-danitra” Ny manao ny vavaka Rainay dia tokony hampitombo ao amintsika ny finiavana hanahaka Azy, ary koa ny fo manetry tena sy matoky.
  4. 2801 IV. “Izay any an-danitra” Amin’ny fiantsoana hoe “Rainay” no italahoantsika ny Fanekem-pihavanana Vaovao ao amin’i Jesoa-Kristy, ny fiombonana amin’ny Trinite Masina ary ny fitiavan’Andriamanitra izay manerana ny lafy valon’ny tany, amin’ny alalan’ny Fiangonana.
  5. 2802 IV. “Izay any an-danitra” Ny hoe “ izay any an-danitra ” dia tsy manondro toerana velively tsy akory, fa ilazana ny fahamboniana amam-piandrianan’Andriamanitra sy ny maha-ao am-pon’ny olo-marina Azy. Ny lanitra, ny Tranon’ny Ray, no tena …
  6. 2803 Ny Fangatahana fito Rahefa avy nametraka antsika teo anatrehan’Andriamanitra Raintsika mba hitsaoka Azy, ho tia Azy ary hisaotra Azy ny Fanahy maha-zanaka, dia mampisondrotra avy ao am-pontsika ireo fangatahana fito, fisaorana fito. Ny telo voalohany, …
  7. 2804 Ny Fangatahana fito Mitondra antsika mankany amin’ny Ray sy ho Azy ny fitambaran’ny fangatahana voalohany : ny Anaran ao , ny Fanjakan ao , ny Sitrapon ao ! Izany no toetra manokana ny fitiavana izay …
  8. 2805 Ny Fangatahana fito Ny fitambaran’ny fangatahana faharoa dia manaraka ny fizotran’ny vavaka epikilezy sasantsasany amin’ny Eokaristia : izy no fanatitry ny fanantenantsika sy manintona ny mason’ny Rain’ny famindram-po. Misondrotra avy ao amintsika izy sady mahakasika …
  9. 2806 Ny Fangatahana fito Amin’ny fangatahana telo voalohany no amafisina amin’ny finoana isika, feno fanantenana, mirehi-pitiavana. Amin’ny maha-zavaboary sy mbola maha-mpanota antsika, tsy maintsy mangataka ho antsika isika, io “isika” arakaraka ny tontolo sy ny tantara …
  10. 2807 I. “Hohamasinina anie ny Anaranao” Ny teny hoe “manamasina” dia ilaina ho fantatra eto, voalohany indrindra tsy amin’ny heviny hiharana (Andriamanitra irery no manamasina, mahamasina) fa indrindra amin’ny heviny fanomezan-danja : manaiky fa masina, mandray amin’ny fomba …
  11. 2808 I. “Hohamasinina anie ny Anaranao” Tamin’ny fotoana raikitra amin’ny fitantanam-pamonjeny Andriamanitra no nanambara ny Anarany, nefa niaraka tamin’ny fanatanterahany ny tsanganasany no nanambaràny izany. Ary tsy ho tontosa ho antsika sy ao anatintsika io tsanganasa io, raha …
  12. 2809 I. “Hohamasinina anie ny Anaranao” Ny Fahamasinan’Andriamanitra no foibe saro-takarin’ny saina amin’ny misteriny mandrakizay. Izay nampiharihariana izany tamin’ny fahariana sy ny tantara, no antsoin’ny Soratra Masina hoe : Voninahitra , famirapiratan’ny Fiandrianany [58] . Tamin’ny nanaovany ny …
  13. 2810 I. “Hohamasinina anie ny Anaranao” Tamin’ny fampanantenana natao tamin’i Abrahama, sy ny fianianana izay nampiarahina tamin’izany [61] , ny Tenan’Izy Andriamanitra mihitsy no nirotsaka an-tsehatra, saingy tsy nambarany ny anarany. Tamin’i Môizy Izy no nanomboka nanambara ny …
  14. 2811 I. “Hohamasinina anie ny Anaranao” Ary, na teo aza ny Lalàna masina izay nomena azy sy naverin’ilay Andriamanitra Masina taminy [64] , ary na naharitra aza ny Tompo, “noho ny Anarany” dia niodina tamin’ilay Masin’i Israely ny …
  15. 2812 I. “Hohamasinina anie ny Anaranao” Farany, ao amin’i Jesoa ny anaran’Andriamanitra Masina no nambara sy nomena antsika, tao amin’ny nofo, ho Mpamonjy [66] : nambara satria Izy no Izy, tamin’ny alalan’ny Teniny sy tamin’ny alalan’ny Sorona natolony …
  16. 2813 I. “Hohamasinina anie ny Anaranao” Tamin’ny ranon’ny Batemy isika no “nosasana, nohamasinina, nohamarinina tamin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompo, sy tamin’ny Fanahin’ Andriamanitra” (1 Kôr 6,11). Eo amin’ny fiainantsika manontolo ny Raintsika no miantso antsika ho “amin’ny fahamasinana” (1 …
  17. 2814 I. “Hohamasinina anie ny Anaranao” Miankina tsy azo sarahina amin’ny fiainantsika sy ny fivavahantsika izany ny tokony hanamasinana ny anarany eo anivon’ireo firenena : Mangataka amin’Andriamanitra isika hanamasinana ny anarany, satria amin’ny alalan’ny fahamasinana Izy no mamonjy …
  18. 2815 I. “Hohamasinina anie ny Anaranao” Io fangatahana io, izay mirakitra ny fangatahana rehetra, dia ekena amin’ny alalan’ny vavak’i Kristy , tahaka ny fangatahana enina hafa izay manaraka. Ny vavaka amin’ny Raintsika no fivavahantsika raha angatahina “ amin’ny …
  19. 2816 II. “Ho tonga anie ny Fanjakanao” Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny voambolana iray hoe Basileia dia mety midika hoe “fanjakana” (anarana ilazana ny fiandrianan’ny mpanjaka), “fanjakana” (anarana ilazana ny toerana anjakan’ny mpanjaka) “fanjakana” (anarana ilazana ny fotoana anjakan’ny …
  20. 2817 II. “Ho tonga anie ny Fanjakanao” Io fangatahana io no ilay “ Marana tha ”, ilay hiakan’ny Fanahy sy ny Ampakarina : “Avia, ry Jesoa Tompo” : Na dia io vavaka io aza, tsy hampanao antsika adidy hangataka …