I. “Hohamasinina anie ny Anaranao”

Laharana 2811 amin’ny Katesizy

Ary, na teo aza ny Lalàna masina izay nomena azy sy naverin’ilay Andriamanitra Masina taminy[64], ary na naharitra aza ny Tompo, “noho ny Anarany” dia niodina tamin’ilay Masin’i Israely ny vahoaka ary nanevateva ny anarany teo amin’ireo firenena[65]. Izany indrindra no nahatonga ireo olo-marin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, ireo mahantra tafaverina avy tany an-tsesitany ary ireo mpaminany, hirehim-pitiavana ny anarany.

Loharano ôfisialy ↗