Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2611 Mampianatra mivavaka i Jesoa Ny fivavahana amim-pinoana dia tsy ny fitenenana fotsiny hoe : “Tompo, Tompo”, fa ny mampifanaraka ny fo hanao ny sitrapon’ny Ray [80] . Izany fiahiana hiara-miasa amin’ny fandaharan’Andriamanitra izany, no iantsoan’ i …
  2. 2612 Mampianatra mivavaka i Jesoa Ao amin’i Jesoa, dia “efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra” (Mk 1,15), miantso ho amin’ny fibebahana sy ny finoana Izy, nefa koa amin’ny fiambenana . Amin’ny fivavahana ny mpianatra no miandry amim-pitandremana an’Ilay izay …
  3. 2613 Mampianatra mivavaka i Jesoa Fanoharana lehibe telo momba ny fivavahana no nampitain’i Lioka tamintsika : Ny voalohany, “ilay sakaiza manelingelina” [84] , mamporisika hanao lemozy amin’ny fivavahana : “Dondòny dia hovohaina ianareo.” Amin’izay mivavaka tahak’izany ny …
  4. 2614 Mampianatra mivavaka i Jesoa Raha namboraka an-karihary tamin’ireo mpianany ny misterin’ny fivavahana amin’ny Ray i Jesoa, dia nampiseho azy ireo ny tsy maintsy ho fivavahan’izy ireo, sy ny antsika, rahefa hiverina eo anilan’ny Ray Izy, amin’ny …
  5. 2615 Mampianatra mivavaka i Jesoa Fa indrindra, “ilay Mpanafaka alahelo hafa, dia ny Fanahin’ny Fahamarinana, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay” (Jo 14,16-17) no omen’ny Ray antsika, rahefa miray amin’ny vavak’i Jesoa ny fivavahantsika. Io zava-baovao amin’ny fivavahana …
  6. 2616 Mihaino vavaka i Jesoa Ny fivavahana amin’i Jesoa dia efa nohenoiny nandritra ny raharaham-pamonjeny, tamin’ny alalan’ireo famantarana izay naneho mialoha ny herin’ ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona : I Jesoa dia mihaino ny vavaka …
  7. 2617 Ny vavak’i Maria Virjiny Ny vavak’i Maria dia nambara tamintsika teo am-piandohan’ny hafenoan’ ny fotoana. Talohan’ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo sy talohan’ny firotsahan’ny Fanahy Masina, ny fivavahany no niara-niasa tamin’ny fomba tokana aman-tany tamin’ny fandaharana feno …
  8. 2618 Ny vavak’i Maria Virjiny Ny Evanjely dia manambara amintsika ny fomba fivavak’i Maria sy fanelanelanany amim-pinoana : tao Kanà [100] , niangavy tamin-Janany ny Renin’i Jesoa ho an’ny zavatra ilaina tao amin’ny sakafon’ny fampakaram-bady iray, famantarana …
  9. 2619 Ny vavak’i Maria Virjiny Izany no mahatonga ny tonon-kiran’i Maria [102] , “ Magnificat”(Mankalaza ny Tompo ny fanahiko) amin’ny teny latinina, “ Mégalinaire” amin’ny teny bizantinina, ho sady tonon-kiran’ny Renin’Andriamanitra no tonon-kiran’ny Fiangonana, sady tonon-kiran’ny Zanakavavin’i …
  10. 2620 Ny vavak’i Maria Virjiny Ny môdely lavorary amin’ny fivavahana, ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia miorina amin’ny vavaka maha-zanaka an’i Jesoa. Ny vavak’i Jesoa, natao matetika tany amin’ny toerana mitokana, tany amin’ny toerana mangina, dia manambara firaiketam-po …
  11. 2621 Ny vavak’i Maria Virjiny Tamin’ny fampianarany i Jesoa no nampianatra ny mpianany hivavaka amim-po voadio, amim-pinoana velona sy maharitra, amim-pahasahian-janaka. Miantso azy ireo hiambina Izy ary mandrisika azy ireo hanolotra amin’Andriamanitra ny fangatahan’izy ireo amin’ny anarany. …
  12. 2622 Ny vavak’i Maria Virjiny Ny vavak’i Maria Virjiny, ao amin’ny “ Aoka anie ho tanteraka amiko ” ( “ Fiat ” ) sy ao amin’ny “Mankalaza ny Tompo ny fanahiko” (Magnificat) dia misongadina amin’ny fanolorana amin-kalalahana …
  13. 2623 Amin’ny andron’ny Fiangonana Tamin’ny andro Pantekôty, ny Fanahin’ny fampanantenana dia nirotsaka tamin’ny mpianatra, “nivory tao amin’ny toerana iray” (Asa 2,1), ka teo am-piandrasana Azy, “dia niray saina izy rehetra, ary naharitra nivavaka” (Asa 1,14). Ny …
  14. 2624 Amin’ny andron’ny Fiangonana Tao amin’ny ankohonam-piangonana voalohany tao Jerosalema, dia “nazoto tamin’ny fampianaran’ny apôstôly, tsy nivadika tamin’ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana, tamin’ny fizarana ny mofo ary tamin’ny vavaka” (Asa 2,42) ny mpino. Mampiavaka ny fivavahan’ny …
  15. 2625 Amin’ny andron’ny Fiangonana Ny fivavahan’ny Fiangonana aloha dia ireo izay henoin’ny mpino sy vakìny ao amin’ny Soratra Masina, kanefa ampihariny amin’ny fiainana ankehitriny ireny, singanina manokana ny vavaka Salamo, izay manomboka amin’ny fahatanterahan’izy ireny ao …
  16. 2626 I. Ny fisaorana sy ny fitsaohana Ny fisaorana dia maneho ny fihetsiky ny halalin’ny fivavahana kristianina: izy no fihaonan’Andriamanitra sy ny olombelona ; ao aminy ny Fanomezan’Andriamanitra sy ny fandraisan’ny olombelona no mifampiantso sy miray. Ny vavaka fisaorana …
  17. 2627 I. Ny fisaorana sy ny fitsaohana Endrika fototra anankiroa no maneho izany fihetsika izany : indraindray amin’ny endrika miakatra, entin’ny Fanahy Masina, amin’ny alalan’i Kristy, mankany amin’ny Ray (misaotra Azy isika noho ny nitsofany rano antsika [105] ); …
  18. 2628 I. Ny fisaorana sy ny fitsaohana Ny fitsaohana dia fihetsika voalohany ataon’ny olombelona izay miaiky ho zavaboary eo anatrehan’ny Mpahary azy. Ny fitsaohana no midera ny halehiben’ny Tompo izay nanao antsika [107] sy ny maha-Mahefa ny zava-drehetra ny …
  19. 2629 II. Ny vavaka fangatahana Betsaka ny fahasamy hafa kely ny voambolana momba ny fitalahoana, ao amin’ny Testamenta Vaovao : mangataka, mitalaho, manao lemozy, miantso, mikiaka, mitaraina, ary mitolona mihitsy amin’ny vavaka [109] . Kanefa ny endriny …
  20. 2630 II. Ny vavaka fangatahana Tsy dia betsaka vavaka fitarainana mafy ao amin’ny Testamenta Vaovao, kanefa hita matetika kosa ao amin’ny Testamenta Taloha. Manomboka ao amin’i Kristy nitsangan-ko velona ny fangatahan’ny Fiangonana no entin’ny fanantenana, na mbola …