I. Ny fisaorana sy ny fitsaohana
Laharana 2627 amin’ny Katesizy
Endrika fototra anankiroa no maneho izany fihetsika izany : indraindray amin’ny endrika miakatra, entin’ny Fanahy Masina, amin’ny alalan’i Kristy, mankany amin’ny Ray (misaotra Azy isika noho ny nitsofany rano antsika[105]); indraindray amin’ny endrika mitalaho ny fahasoavan’ny Fanahy Masina izay, amin’ny alalan’i Kristy, mirotsaka avy ao amin’ny Ray (Izy no mitsodrano antsika[106]).