Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2726 I. Ireo hevitra manohitra fivavahana Amin’ny tolom-bavaka isika no manohitra, ao amin’ny tenantsika ihany sy amin’ny manodidina antsika, an’ireo fihevitra diso momba ny fivavahana . Ny sasany dia mihevitra ny fivavahana ho asa ara-pisikôlôzia tsotra ihany, ny …
  2. 2727 I. Ireo hevitra manohitra fivavahana Isika koa tokony hanohitra ireo toe-tsain’ “ny olon’ity tany ity”; tafiditra ao amintsika ireny raha tsy malina isika ; ohatra : izay voamarin’ny saina sy ny siansa ihany no marina (nefa anie …
  3. 2728 I. Ireo hevitra manohitra fivavahana Farany, ny tolona ataontsika dia tsy maintsy hanoherana an’izay tsapantsika ho tsy fahombiazantsika amin’ny fivavahana : fahakiviana manoloana ny fahamainan’ny fo, alahelo amin’ny tsy fahafoizana manontolo ho an’ny Tompo, satria “manankarem-be” [17] …
  4. 2729 Manoloana ny fahasarotan’ny fivavahana Ny fahasarotana mahazatra amin’ny fivavahantsika dia ny fihakahakan-kevitra . Mety ho mifantoka amin’ny teny sy ny dikany izany, amin’ny vavaka am-bava ; mety hifantoka lalindalina kokoa amin’Ilay izay ivavahantsika izany, amin’ny vavaka …
  5. 2730 Manoloana ny fahasarotan’ny fivavahana Ny tena marina, ny tolona anoherana ny tenantsika mangeja sy mpanjakazaka, dia ny fiambenana sy ny fahatsoran’ny fo. Rahefa manantitrantitra momba ny fiambenana i Jesoa, dia mifandray lalandava Aminy izany, amin’ny Fahatongavany, …
  6. 2731 Manoloana ny fahasarotan’ny fivavahana Ny fahasarotana hafa, indrindra ho an’ireo izay te-hivavaka amim-pahatsorana, dia ny fahamainan’ny fo . Tafiditra amin’ny vavaka am-po izany izay ny fo no voasakana, tsy mahazo tsirony amin’ny fieritreretana, amin’ny fahatsiarovana sy …
  7. 2732 Manoloana ny fakam-panahy amin’ny fivavahana Ny fakam-panahy matetika indrindra, miafina indrindra, dia ny tsy fahampian’ny finoantsika . Malefadefaka kokoa ny fisehon’ny fakam-panahy amin’ny tsy finoana raha miohatra amin’ny fisafidianana ny atao. Rahefa manomboka hivavaka isika, dia indro …
  8. 2733 Manoloana ny fakam-panahy amin’ny fivavahana Fakam-panahy hafa koa, izay anokafan’ny fihamboana ny varavarana mankao, dia ny fahalainana . Ny tian’ny Ray am-panahy ho lazaina amin’ izany dia ny endriky ny harerahan-tsaina avy amin’ny fahaketrahan’ny famolahan-tena, ny fihenan’ny …
  9. 2734 III. Ny fitokiana maha-zanaka Voasedra ny fitokiana maha-zanaka – voaporofo izany – ao anatin’ny fahoriana amam-pijaliana [20] . Ny manahirana indrindra dia ny mikasika ny vavaka fangatahana , na ho an’ny tena na ho an’ny hafa …
  10. 2735 Nahoana isika no mitaraina fa tsy ekem-bavaka ? Ny fanamarinana aloha no tokony hahagaga antsika. Rahefa midera an’Andriamanitra isika na misaotra Azy noho ny soa ankapobeny avy Aminy, tsy dia miahiahy loatra isika ny hahalala raha ankasitrahan’ Andriamanitra ny fivavahantsika. …
  11. 2736 Nahoana isika no mitaraina fa tsy ekem-bavaka ? Miaiky ve isika fa “na izay tokony hangatahintsika amin’ny vavaka ataontsika aza tsy fantatsika” (Rôm 8,26). Moa ve “ny zavatra tena mahasoa” no angatahintsika amin’Andriamanitra ? Fantatry ny Raintsika tokoa izay ilaintsika, …
  12. 2737 Nahoana isika no mitaraina fa tsy ekem-bavaka ? “Ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo. Mangataka ianareo, fa tsy mahazo, satria ratsy fangataka ianareo, dia ny hahazo izay hiaranan’ny filan-dratsinareo” (Jak 4,2-3) [23] . Raha amin’ny fo voazarazara …
  13. 2738 Atao ahoana no hampahomby ny fivavahantsika ? Ny fanambaràna momba ny fivavahana ao amin’ny fitantanam-pamonjena no mampianatra antsika fa miankina amin’ny asan’Andriamanitra ao amin’ny tantara ny finoana. Ny fitokiana maha-zanaka dia avy amin’ny asany tsara indrindra : ny fijaliana …
  14. 2739 Atao ahoana no hampahomby ny fivavahantsika ? Ao amin’i Md Paoly, tena fahasahiana tokoa izany fitokiana izany [27] , miorina amin’ny vavaky ny Fanahy ao amintsika sy amin’ny fitiavan’ny Ray tsy mivadika izay nanomezany antsika ny Zanany Lahitokana [28] …
  15. 2740 Atao ahoana no hampahomby ny fivavahantsika ? Ny vavak’i Jesoa no mahatonga ny fivavahana kristianina ho fangatahana mahomby. Izy no môdelintsika amin’izany, Izy no mivavaka ao amintsika sy miaraka amintsika. Satria ny fon’ny Zanaka tsy mikatsaka afa-tsy izay mahafaly …
  16. 2741 Atao ahoana no hampahomby ny fivavahantsika ? Mivavaka ho antsika koa i Jesoa, eo amin’ny toerantsika sy ho amin’ny tombon-tsoantsika. Voaravona indray maka tamin’ny Antsony mahery teo amin’ny Hazofijaliana sy neken’ny Ray tamin’ny Fitsanganany ho velona ny fangatahantsika rehetra, …
  17. 2742 IV. Mitozoa amin’ny fitiavana “Mivavaha lalandava” (1 Tes 5,17), “amin’ny fotoana rehetra sy isa-minitra, misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy Tompontsika” (Efez 5,20), “mahareta ianareo amin’ny fivavahana sy ny fitalahoana ; mivavaha lalandava ianareo ao amin’ny …
  18. 2743 IV. Mitozoa amin’ny fitiavana Azo atao lalandava ny mivavaka : ny fotoanan’ny kristianina dia ny an’i Kristy nitsangan-ko velona izay “miaraka amintsika, isan’andro” (Mt 28,20), na manao ahoana na manao ahoana ny fitsokan’ny tafiodrivotra [31] . …
  19. 2744 IV. Mitozoa amin’ny fitiavana Filana eo amin’ny fiainana ny mivavaka. Tsy ampy haharesy lahatra ny porofo mifanohitra amin’izany : raha tsy mety hotarihin’ny Fanahy isika, dia miverina eo ambany fanandevozan’ny fahotana [33] . Ahoana moa no …
  20. 2745 IV. Mitozoa amin’ny fitiavana Tsy azo sarahina ny fivavahana sy ny fiainana kristianina satria iray ihany ny fitiavana momba izany ary iray ihany ny fandavan-tena vokatr’io fitiavana io. Iray ihany ny fitoviana maha-zanaka sy feno fitiavana …