Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1906
II. Ny soa iombonana
Ny hoe soa iombonana, dia “ny fitambaran’ny fepetra ara-piaraha-monina izay ahafahan’ny fikambanana rehetra na ny mpikambana tsirairay ao aminy mahatratra ny fahalavorarian’izy ireo, amin’ny fomba fenofeno kokoa sy moramora kokoa” [27] . …
→
-
1907
II. Ny soa iombonana
Ny ilainy voalohany dia ny fanajana ny olona amin’ny maha-olona azy. Amin’ny anaran’ny soa iombonana, dia tsy maintsy manaja ny zo fototra sy tsy azo foanana ananan’ny olona ny Fanjakana. Tsy maintsy …
→
-
1908
II. Ny soa iombonana
Faharoa manaraka izany, ilain’ny ny soa iombonana ny fiadanan’ny mpiara-monina sy ny fampandrosoana ny vondrona amin’ny maha-izy azy. Ny fampandrosoana no famintinana ny adidy rehetra ara-piaraha-monina. Marina fa anjaran’ny fahefana mifehy ny …
→
-
1909
II. Ny soa iombonana
Farany, ilain’ny soa iombonana ny fandriampahalemana , izany hoe ny faharetana sy ny filaminan-tsaina avy amin’ny filaminana marina. Koa ilainy àry ny hiantohan’ny fahefana mifehy, amin’ny fomba mendrika, ny filaminan-tsain ’ny mpiara-monina …
→
-
1910
II. Ny soa iombonana
Isaky ny fikambanan’ny olona dia samy manana soa iombonana izay ahafahany mahalala ny tenany amin’ny maha-izy azy, fa ao amin’ny vondrom-bahoaka kosa no ahitana ny fahatanterahany feno indrindra. Anjaran’ny Fanjakana ny miaro …
→
-
1911
II. Ny soa iombonana
Mihamitombo ny fifampiankinan’ny olombelona. Miitatra tsikelikely manerana ny tany tontolo izany. Ny mahairay ny fianakavian’olombelona, amin’ny famondronana ny olona mizaka ny fahamendrehana voa-Janahary mitovy, dia mahatonga ny soa iombonana ho an’ny daholobe …
→
-
1912
II. Ny soa iombonana
Tantanina lalandava ho amin’ny fivoaran’ny olona ny soa iombonana : “Tokony hofehezin’ny rafi-pandaminan’ny olona ny rafi-pandaminana ny zavatra samihafa, fa tsy ny mifanohitra amin’izany tsy akory” [31] . Ny fahamarinana no fototr’io …
→
-
1913
III. Andraikitra sy fandraisana anjara
Ny fandraisana anjara no firotsahan’ny olona an-tsitrapo sy malala-tanana eo amin’ny fifanampiana ara-piaraha-monina. Ilaina ny andraisan’ny rehetra anjara, samy araka ny toerana misy azy sy ny anjara asa sahaniny, hampandrosoana ny soa …
→
-
1914
III. Andraikitra sy fandraisana anjara
Ny fandraisana anjara aloha dia tanteraka amin’ny fandraisana ho andraikitra eo amin’ny sehatra izay izakana ny adidin’ny olona tsirairay : amin’ny fikarakarana atao amin’ny fanabeazana ny fianakaviany sy amin’ny fahatsiarovan-tena amin’ny asany, …
→
-
1915
III. Andraikitra sy fandraisana anjara
Ny olom-pirenena dia tokony handray anjara amim-pahavitrihana araka izay azo atao amin’ny fiainam-bahoaka . Ny fombafomba amin’io fandraisana anjara io dia mety miovaova arakaraka ny tany onenana sy ny kolontsain’ny mponina. “Tokony …
→
-
1916
III. Andraikitra sy fandraisana anjara
Ny fandraisan’ny rehetra anjara amin’ny fampiasana ny soa iombonana, toy ny adidy rehetra araka ny lalàm-pitondran-tena, dia mitarika fibebahan’ ireo mpiombon’antoka ara-piaraha-monina, izay fibebahana avaozin’izy ireo tsy an-kijanona. Ny fitaka sy ny …
→
-
1917
III. Andraikitra sy fandraisana anjara
Anjaran’ireo mizaka ny fahefana mifehy ny manamafy ny soatoavina izay hahasarika ny fitokian’ny mpikambana rehetra ao anatin’ireny fikambanana ireny sy hamporisika azy ireo hirotsaka hanasoa ny naman’ izy ireo. Manomboka amin’ny fanabeazana …
→
-
1918
III. Andraikitra sy fandraisana anjara
“ Tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, ary ny fahefana rehetra izay misy dia voatendriny avokoa ” (Rôm 13,1).
→
-
1919
III. Andraikitra sy fandraisana anjara
Ny fikambanan’olona rehetra dia mila fahefana mifehy mba haharetany sy hiitarany.
→
-
1920
III. Andraikitra sy fandraisana anjara
“ Ao amin’ny toetra maha-olombelona ny olombelona no fototra iorenan’ ny fiainam-bahoaka sy ny fahefan’ny Fanjakana, ary ao amin’izany no iankinan’izy ireo avy amin’ny fandaharana naraikitr’Andriamanitra ” [36] .
→
-
1921
III. Andraikitra sy fandraisana anjara
Miasa amin’ny fomba ara-drariny ny fahefana mifehy raha milofo amin’ ny fikatsahana ny soa iombonan’ny fiaraha-monina izy. Mba hahatratrarany izany, dia tsy maintsy mampiasa ny fomba azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena izy.
→
-
1922
III. Andraikitra sy fandraisana anjara
Ara-dalàna ny faha-samihafa ireo lasi-pitondram-panjakana, raha toa ka manampy ho amin’ny soa iombonan’ny vahoaka izy ireny.
→
-
1923
III. Andraikitra sy fandraisana anjara
Ny mpifehy fanjakana dia tsy maintsy manaraka ny fetran’ny lalàm-pitondran-tena sy miantoka ny fepetra amin’ny fampiasana ny fahafahana.
→
-
1924
III. Andraikitra sy fandraisana anjara
Ny hoe soa iombonana dia “ ny fitambaran’ny fepetra ara-piaraha-monina izay ahafahan’ny fikambanana rehetra sy ny olona tsirairay mahatratra ny fahalavorarian’izy ireo, amin’ny fomba fenofeno kokoa sy moramora kokoa ” [37] .
→
-
1925
III. Andraikitra sy fandraisana anjara
.Misy singafototra telo tsy azo avela ny soa iombonana : ny fanajana sy ny fampahalalana ny zo fototra maha-olona ; ny fitomboana na fandrosoan’ ny soa aman-karena ara-panahy sy ny soa aman-karena …
→