III. Andraikitra sy fandraisana anjara
Laharana 1915 amin’ny Katesizy
Ny olom-pirenena dia tokony handray anjara amim-pahavitrihana araka izay azo atao amin’ny fiainam-bahoaka. Ny fombafomba amin’io fandraisana anjara io dia mety miovaova arakaraka ny tany onenana sy ny kolontsain’ny mponina. “Tokony hoderaina ny fomba fiasa amam-pihetsiky ny firenena izay misy olom-pirenena faran’izay betsaka indrindra mandray anjara amin-kalalahana amin’ny raharaham-pirenena”[33].