Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1021 I. Ny fitsaràna ny tsirairay manokana Ny fahafatesana no mamarana ny fiainan’ny olombelona izay ho fanomboham-potoana andraisana na andavana ny fahasoavan’ Andriamanitra naseho tao amin’i Kristy [61] . Ny tena resahin’ny Testamenta Vaovao indrindra dia ny fitsaràna amin’ny …
  2. 1022 I. Ny fitsaràna ny tsirairay manokana Ny olombelona tsirairay, raha vantany vao maty izy, dia mandray ao amin’ny fanahiny tsy mety maty, ny valy mandrakizay amin’ny nataony, manoloana ny fitsaràna manokana izay hijerena ny fiainany araka an’i Kristy, …
  3. 1023 II. Ny lanitra Ireo izay maty ao anatin’ny fahasoavana sy ny fisakaizana amin’ Andriamanitra, ary voadio tanteraka, no velona mandrakizay miaraka amin’i Kristy. Mifanahaka mandrakizay amin’Andriamanitra izy ireo, satria mahita Azy “araka ny tena maha-Izy …
  4. 1024 II. Ny lanitra Izany fiainana lavorary miaraka amin’ny Trinite Masina Indrindra izany, izany fiombonan’aina amam-pitiavana Aminy, miaraka amin’i Maria Virjiny sy ny anjely ary ny olon-tsambatra rehetra izany, no antsoina hoe “lanitra”. Ny lanitra no …
  5. 1025 II. Ny lanitra Ny hoe miaina any an-danitra dia ny “mitoetra miaraka amin’i Kristy” [72] . Mivelona “ao Aminy” ny olom-pinidy, fa ao izy ireo no mitahiry sy mahita tsara tokoa ny tena maha-izy Azy, …
  6. 1026 II. Ny lanitra Tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany ho velona i Jesoa-Kristy no “nanokatra” ny lanitra ho antsika. Ny fiainan’ny olon-tsambatra dia mifototra amin’ny fananana ny hafenoan’ny vokatry ny fanavotana notontosain’i Kristy izay manakambana …
  7. 1027 II. Ny lanitra Izany misterin’ny fiombonam-pahasambarana miaraka amin’ Andriamanitra sy miaraka amin’izay rehetra ao amin’i Kristy izany, dia mihoatra noho izay rehetra azo heverina sy izay rehetra azo aseho. Sary an’ohatra maro no itenenan’ny Soratra …
  8. 1028 II. Ny lanitra Noho ny fahamboniana tsy taka-polopolorina an’Andriamanitra, dia tsy mety ho hitan’ny maso amin’ny tena maha-Izy Azy Izy, raha tsy ny Tenany mihitsy no manokatra ny misteriny amin’ny fibanjinan’ny olombelona eo no eo …
  9. 1029 II. Ny lanitra Ao amin’ny voninahitry ny lanitra, manohy manatanteraka amin-kafaliana ny sitrapon’Andriamanitra ny olon-tsambatra, raha ampitahaina amin’ny olombelona hafa sy amin’ny zavaboary manontolo. Efa manjaka miaraka amin’i Kristy izy ireo ; miaraka Aminy, “hanjaka …
  10. 1030 III. Ny fandiovana farany na Afofandiovana Ireo izay maty ao anatin’ny fahasoavana sy ny fisakaizana amin’ Andriamanitra, kanefa tsy voadio tanteraka, na azo antoka aza ny famonjena mandrakizay ho azy ireo, dia mijaly amin’ny fandiovana aorian’ny fahafatesany izy …
  11. 1031 III. Ny fandiovana farany na Afofandiovana Antsoin’ny Fiangonana hoe Afofandiovana izany fandiovana farany ireo olom-pinidy izany, izay tsy mitovy velively amin’ny famaizana ny olom-bery any amin’ny afobe. Nandrafitra tamin’ny rijan-teny ny fitambaram-pampianaram-pinoana momba ny Afofandiovana ny Fiangonana, indrindra …
  12. 1032 III. Ny fandiovana farany na Afofandiovana Miankina koa amin’ny fanaovana vavaka ho an’ireo nodimandry izay efa nolazain’ny Soratra Masina, izany fampianarana izany : “Izany no nanaovany (i Jodasa Makabeo) an’izany sorona fanonerana izany ho an’ny maty, mba ho …
  13. 1033 IV. Ny afobe Tsy afaka ho tafaray amin’Andriamanitra isika raha tsy misafidy amin-kalalahana ny ho tia Azy. Kanefa tsy afaka ho tia an’Andriamanitra isika raha manao fahotana lehibe Aminy, amin’ny namantsika na amin’ny tenantsika : …
  14. 1034 IV. Ny afobe Miteny matetika momba ny “gehen’afo tsy mety maty” i Jesoa [85] , natokana ho an’ireo izay mandà hatramin’ny fara fiainan’izy ireo tsy hino sy tsy hibebaka, ary izay no mety hahavery ny …
  15. 1035 IV. Ny afobe Ny fampianaran’ny Fiangonana dia manantitrantitra ny fisian’ny afobe sy ny maha-mandrakizay izany. Ny fanahin’ireo izay maty ao amin’ny toe-pahotana mahafaty dia midina eo no eo avy hatrany any amin’ny afobe aorian’ny fahafatesana, …
  16. 1036 IV. Ny afobe Ny fanantitranteran’ny Soratra Masina sy ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny afobe, dia antso ho amin’ny adidy aman’andraikitra izay tsy maintsy ampiasan’ny olombelona ny fahafahany eo am-piatrehana ny anjara fiainany mandrakizay. Anisan’ny antso …
  17. 1037 IV. Ny afobe Andriamanitra tsy nandahatra mialoha na iza na iza ho any amin’ny afobe [89] ; ny fankahalana an’Andriamanitra iniana atao (fahotana mahafaty), sy ny mikiry tsy hiala amin’izany hatramin’ny farany no mahatonga izany. …
  18. 1038 V. Ny Fitsaràna farany Ny fananganan-ko velona ny maty rehetra, “ny marina sy ny mpanota” (Asa 24,15), no hialoha ny Fitsaràna farany. Amin’izany no ho “fotoana handrenesan’izay rehetra ao am-pasana ny feon’ny Zanak’olona, ka hivoaka tao …
  19. 1039 V. Ny Fitsaràna farany Eo anatrehan’i Kristy Fahamarinana no hibaribary tanteraka ny marina momba ny fifandraisan’ny olombelona tsirairay amin’Andriamanitra [91] . Ny Fitsaràna farany no hampiseho, hatrany amin’ny vokany farany indrindra, amin’izay tsara nataon’ny tsirairay na …
  20. 1040 V. Ny Fitsaràna farany Amin’ny fiverenan’i Kristy amim-boninahitra no hiseho ny Fitsaràna farany. Ny Ray ihany no mahalala ny ora sy ny andron’izany, Izy irery ihany no manapa-kevitra ny amin’ny fahatongavany. Amin’ny alalan’i Jesoa-Kristy Zanany no …